Bokin'i Zakaria 7:9
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ ny rahalahiny avy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary tonga tamin’ i Zakaria ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Cross References
Leviticus 19:15Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
Deuteronomy 10:18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
Psalms 82:2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]
Proverbs 21:3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Jeremiah 7:5Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ olona amin’ ny namany ianareo,