Bokin'i Zakaria 8:10
Fa talohan’ izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ ny namany avy ny olona rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 5:6Tamin’ ny andron’ i Samgara, zanak’ i Anata, sy tamin’ ny andron’ i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ ny mpandeha.
2 Chronicles 15:5Ary tamin’ izany dia tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ ny tany.
Jeremiah 16:16Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
Amos 9:4Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
Haggai 2:16fony tamin’ izany andro izany raha nisy nankamin’ ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon’ ny famarana, dia roa-polo ihany.