Bokin'i Zakaria 8:15
dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Jeremiah 29:11Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ ny farany.
Jeremiah 32:42Fa izao no lazain’ i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
Micah 7:18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
Haggai 2:5araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
Luke 12:32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.