Bokin'i Zakaria 8:22
Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 68:30Noho ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
Isaiah 55:5Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Isaiah 66:23Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.
Micah 4:2Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
Haggai 2:7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Zechariah 14:16Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.