Bokin'i Zakaria 8:4
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben’ i Jerosalema, samy hitehina amin’ ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 2:31Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ ny taranakao.
Job 42:17Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.
Lamentations 2:20Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin’ ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin’ ny fitoera-masin’ i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany?
Hebrews 12:22Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’ Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ ny anjely tsy omby alinalina,