Bokin'i Zakaria 8:7
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ ny tany atsinanana sy amin’ ny tany andrefana Aho;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 1:9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
Psalms 107:2Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
Psalms 147:2Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
Isaiah 11:12Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
Isaiah 43:5Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
Isaiah 59:19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ ny Fanahin’ i Jehovah.