Bokin'i Zakaria 8:8
ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 17:8Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
Jeremiah 3:17Amin’ izany andro izany no hanononana an’ i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’ i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’ i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
Jeremiah 23:8Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.
Jeremiah 31:1Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
Jeremiah 32:38ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Ezekiel 11:20mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.