Bokin'i Zakaria 9:1
Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany ― Fa ny mason’ i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ ny firenena rehetra amin’ ny Isiraely ―
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
Cross References
2 Chronicles 20:12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.
Psalms 145:15Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany.
Isaiah 13:1Faminaniana hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny loza hanjo an’ i Babylona.
Isaiah 17:7Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Isaiah 52:10Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.
Jeremiah 23:33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.