Bokin'i Zakaria 9:12
Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 42:10Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Isaiah 40:2Mitoria teny soa mahafaly amin’ i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ ny tànan’ i Jehovah izy ho valin’ ny fahotana rehetra nataony.
Isaiah 52:2Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Jeremiah 31:6Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.
Jeremiah 50:4Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak’ Isirsely, dia izy mbamin’ ny taranak’ i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny.
Jeremiah 51:10Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.