Bokin'i Zakaria 9:13
Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 18:32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Psalms 49:2Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao:
Psalms 149:6Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
Isaiah 49:2Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
Lamentations 4:2Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga!
Daniel 11:32Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin’ ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an’ Andriamaniny kosa dia hifikitra amin’ izany ka hankatò azy.