Bokin'i Zakaria 9:15
Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 27:2Ary manaova ny tandrony eo amin’ ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
Leviticus 4:18Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.
1 Samuel 17:45Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
Song of Solomon 1:4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Song of Solomon 7:9Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma,
Isaiah 55:1He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.