Bokin'i Zefania 2:11
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin’ ny tany Izy, Mba hiankohofan’ ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan’ i Jehovah, Samy any amin’ ny fitoerany avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo.
Cross References
Deuteronomy 32:38Izay nihinana ny saboran’ ny fanatiny Ary nisotro ny divain’ ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 72:8Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
Psalms 86:9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Psalms 117:1Miderà an’ i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.