Bokin'i Zefania 2:14
Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 13:21Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
Isaiah 14:23Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Jeremiah 22:14Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
Zephaniah 2:6Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan’ ny mpiandry ondry, Sy ho valan’ ondry aman’ osy,