Bokin'i Zefania 2:8
Efa reko ny fandatsan’ i Moaba Sy ny fanaratsian’ ny taranak’ i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin’ ny sisin-taniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 19:37Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ ny Moabita mandraka androany.
Psalms 83:4Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
Jeremiah 12:14Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ ny taniny ireo, ary ny taranak’ i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
Jeremiah 48:27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman’ ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
Ezekiel 25:1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ezekiel 25:8Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak’ i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,