Bokin'i Zefania 3:4
Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.
Cross References
1 Samuel 2:22Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon’ ny zananilahy tamin’ ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin’ ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Isaiah 56:10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Jeremiah 6:13Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
Jeremiah 14:13Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan’ ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ ity tany ity ianareo.
Jeremiah 23:10Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
Jeremiah 23:25Efa reko ny nolazain’ ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.