Bokin'i Zefania 3:6
Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 23:4Indreo, efa voazarako ho lovan’ ny firenenareo tamin’ ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe andrefana.
Isaiah 15:1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
Isaiah 37:11Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
Isaiah 37:36Dia avy Ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Jeremiah 25:18dia Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’ izao anio izao;
Zephaniah 2:5Lozan’ ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen’ ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’ i Jehovah, Ry Kanana, tanin’ ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,