Boky faharoan'ny Tantara 21:1
Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Satan stood up against Israel, and provoked David to number Israel.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 21
Cross References
Exodus 30:12Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
2 Samuel 24:24Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’ i Jehovah Andriamanitro amin’ izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’ i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
1 Chronicles 7:40Ireo zanakalahin’ i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
Job 2:1Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.
Zechariah 3:1Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’ Ilay Anjelin’ i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
Luke 11:53Ary raha niala teo Izy, dia noteren’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.