Boky faharoan'ny Tantara 22:13
Ary amin’ izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 22
Cross References
Deuteronomy 31:6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Deuteronomy 31:8Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Joshua 1:18Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’ izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
1 Kings 2:3Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
1 Chronicles 28:10Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masìna; dia mahereza ka mahefà.
2 Chronicles 14:6Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.