Boky faharoan'ny Tantara 28:13
sy ho an’ ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an’ ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ i Jehovah sy ho an’ ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon’ i Jehovah,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 28
Cross References
1 Kings 7:1Ary telo ambin’ ny folo taona no nanaovan’ i Solomona ny lapany, dia vita.
1 Chronicles 23:6Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
1 Chronicles 25:1Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
Ezra 8:33Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;