Boky faharoan'ny Tantara 28:21
Ary indreo ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’ Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin’ ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 28
Cross References
Exodus 31:3ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
Exodus 36:1Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen’ i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin’ ny fanompoana ao amin’ ny fitoerana masìna, araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah.
1 Chronicles 22:17Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely hanampy an’ i Solomona zanany hoe:
1 Chronicles 24:24Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira;
1 Chronicles 26:26Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.
Psalms 110:3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.