Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 1:11
Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 1
Cross References
Genesis 27:42Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin’ i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’ i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
1 Samuel 25:14Ary Abigaila, vadin’ i Nabala, dia nilazan’ ny anankiray tamin’ ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin’ ireny izy.
Proverbs 18:6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
1 Corinthians 6:1Misy aminareo va, raha manana ady amin’ ny namany, sahy handeha hotsarain’ ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ ny olona masìna?
2 Corinthians 12:20Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, ―
Galatians 5:20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,