Bokin'ny Ohabolana 18:6
Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A fool’s lips enter into contention, and his mouth calleth for strokes.
In Context
5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana.
7Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 18
Cross References
Proverbs 12:16Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
Proverbs 14:3Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
Proverbs 16:27Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony.
Proverbs 17:14Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
Proverbs 19:29Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
Proverbs 22:24Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,