Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 10:17
Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For we being many are one bread, and one body: for we are all partakers of that one bread.
In Context
18Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va?
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 10
Cross References
Romans 12:5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
1 Corinthians 10:21Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
1 Corinthians 12:12Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
Galatians 3:26Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
Ephesians 2:15fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
Ephesians 4:4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;