Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 10:28
Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 10
Cross References
Exodus 9:29Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany.
Psalms 24:1Salamo nataon’ i Davida. An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Jeremiah 27:5Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ ny heriko lehibe sy tamin’ ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’ izay sitraky ny foko ny tany.
Romans 14:15Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
1 Corinthians 8:10Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ ny tempolin’ ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ ny malemy hihinana izay hena aterina amin’ ny sampy koa va izany?