Bokin'ny Salamo 24:1
Salamo nataon’ i Davida. An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The earth is the LORD’S, and the fulness thereof; the world, and they that dwell therein.
In Context
2Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.
Read all of Bokin'ny Salamo 24
Cross References
Exodus 9:29Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany.
Deuteronomy 10:14Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
1 Chronicles 29:16Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ ny anaranao masìna ireto dia avy tamin’ ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
Job 34:13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
Job 41:11Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.
Psalms 50:12Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.