Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 11:19
Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan’ ny Tompo akory.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 11
Cross References
Deuteronomy 13:3sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
Luke 2:35ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra ― mba haseho ny hevitry ny fo maro.
Acts 5:17Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
Acts 20:30Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
Acts 24:14Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany,
Acts 28:22fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’ izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.