Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 11:24
ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 11
Cross References
Exodus 12:14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Psalms 22:26Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
Psalms 111:4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
Song of Solomon 1:4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Isaiah 25:6Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hanao fanasana ho an’ ny firenena rehetra eto amin’ ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ ny zavatra matavy, fanasana amin’ ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
Isaiah 55:1He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.