Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 12:3
Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 12
Cross References
Deuteronomy 21:23dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
Matthew 16:16Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
Mark 9:39Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
John 15:26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
Romans 10:9satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.