The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 21 › Bokin'ny Deoteronomia 21:23

Bokin'ny Deoteronomia 21:23

dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

His body shall not remain all night upon the tree, but thou shalt in any wise bury him that day; (for he that is hanged is accursed of God;) that thy land be not defiled, which the LORD thy God giveth thee for an inheritance.

In Context

22Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin’ ny hazo.

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 21

Cross References

Numbers 25:4Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ ny masoandro eo anatrehan’ i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.

Numbers 35:34Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.

Deuteronomy 7:26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.

Joshua 7:12Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.

Joshua 10:26Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin’ ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin’ ny hazo izy mandra-paharivan’ ny andro.

2 Samuel 21:6no avelao hisy fito lahy amin’ ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’ i Jehovah ao Gibean’ i Saoly, ilay voafidin’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 21:23

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 21:22Bokin'ny Deoteronomia 21