Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15:57
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But thanks be to God, which giveth us the victory through our Lord Jesus Christ.
In Context
56Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15
Cross References
2 Kings 5:1Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
Psalms 98:1Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena.
John 16:33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Romans 7:25Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’ Andriamanitra aho amin’ ny saiko, fa ny lalàn’ ny ota kosa amin’ ny nofoko.
1 Corinthians 15:51Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
2 Corinthians 2:14Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.