Bokin'ny Salamo 98:1
Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
Read all of Bokin'ny Salamo 98
Cross References
Exodus 15:6Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
Job 40:9Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
Psalms 33:3Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin’ ny feo fifaliana.
Psalms 72:18Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
Psalms 86:10Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
Psalms 96:1Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra.