Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 3:1
Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’ izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’ i Kristy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 3
Cross References
Matthew 16:23Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
1 Corinthians 2:6Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
1 Corinthians 3:3fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ ny olona?
Galatians 6:1Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
Hebrews 5:13Fa izay rehetra mivelona amin’ ny ronono dia tsy zatra amin’ ny tenin’ ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.