Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 3:19
Fa ny fahendren’ izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 3
Cross References
Exodus 18:11Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’ izay zavatra nentin’ ny Egyptiana nirehareha tamin’ ireny.
2 Samuel 16:23Ary ny hevitr’ i Ahitofela izay nataony tamin’ izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’ i Ahitofela, na tamin’ i Davida, na tamin’ i Absaloma.
2 Samuel 17:23Ary nony hitan’ i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin’ ny fasan-drainy.
Job 5:13Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;
Psalms 9:15Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao.
Isaiah 19:11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?