Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5:3
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5
Cross References
2 Corinthians 10:1Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
2 Corinthians 13:2Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho ― toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa ― amin’ izay nanota teo aloha sy amin’ ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
1 Thessalonians 2:17Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin’ ny fanatrehana, fa tsy tamin’ ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.