Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5:2
Ary ianareo indray va no mirehareha, ka tsy nampalahelo anareo akory izany, mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5
Cross References
2 Kings 22:19satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’ izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
Ezra 10:1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
Jeremiah 13:17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
Ezekiel 9:6Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin’ ny fitoerako masìna izany. Dia nanomboka tamin’ ny lahy antitra izay teo anoloan’ ny trano ireo.
1 Corinthians 4:18Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
1 Corinthians 5:13Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.