Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 6:15
Tsy fantatrareo va fa momba ny tena’ i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’ i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ ny vehivavy janga? Sanatria izany!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ ny heriny.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 6
Cross References
Luke 20:16Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
Romans 3:6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
Romans 6:2Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
Romans 7:7Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.
Romans 12:5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
1 Corinthians 6:19Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masìna, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo ianareo.