Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 7:22
Fa ny andevo izay voantso ao amin’ ny Tompo dia olona afaka an’ ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon’ i Kristy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho andevon’ olona.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 7
Cross References
Psalms 116:16Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
John 8:32ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
Romans 6:18ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana.
Galatians 1:10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
Galatians 5:13Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.
Colossians 3:22Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny zavatra rehetra, tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa amin’ ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;