Filazantsara araka an'i Jaona 8:32
ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And ye shall know the truth, and the truth shall make you free.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 8
Cross References
Psalms 25:5Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
Psalms 119:45Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
Proverbs 1:29Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Isaiah 2:3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
Isaiah 35:8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin’ ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.