Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9:18
Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ ny filazantsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9
Cross References
Romans 14:15Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
1 Corinthians 8:9Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ ny malemy.
1 Corinthians 10:33dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
2 Corinthians 11:7Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo?
1 Thessalonians 2:6ary tsy nitady voninahitra tamin’ olona izahay, na taminareo, na tamin’ ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah’ Apostolin’ i Kristy anay.