Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9:7
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ ny haren’ ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’ osy ka tsy mihinana ny rononony?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
8Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9
Cross References
Deuteronomy 18:8dia anjara mitovy amin’ ny an’ ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin’ ny azony tamin-drainy.
Proverbs 27:18Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
Song of Solomon 8:12Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an’ izay mpiandry voly.
Jeremiah 23:2Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
Acts 20:28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.
2 Corinthians 10:4(fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);