Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:31
Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
1 Samuel 20:41Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin’ ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’ i Davida dia mafy loatra.
1 Kings 1:25Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak’ omby mifahy sy ondry aman’ osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny komandin’ ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
Esther 3:2Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Daniel 3:9Dia niteny izy ka nanao tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
Daniel 6:6Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ ny lalan’ Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
Matthew 21:37Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.