Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:34
Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
1 Samuel 16:3Ary antsoy Jese mba ho any amin’ ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
2 Samuel 2:4Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
2 Samuel 15:10Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
1 Kings 19:16Ary Jeho, zanak’ i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary Elisa, zanak’ i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
2 Kings 9:6Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin’ ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan’ ny Isiraely oloko.
2 Kings 11:12Dia nentin’ i Joiada nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!