Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:48
ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
2 Samuel 7:12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Kings 2:4mba hanatanterahan’ i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin’ ny fahamarinana amin’ ny fony rehetra sy amin’ ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
1 Kings 8:20Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
1 Chronicles 17:17Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
1 Chronicles 29:20Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.
Psalms 34:1Nataon’ i Davida tamin’ izy nody adala teo anatrehan’ i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha.