Boky faharoan'ny Mpanjaka 1:7
Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 1
Cross References
2 Samuel 8:16Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
2 Samuel 15:24Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran’ Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
2 Samuel 20:23Ary Joaba no komandin’ ny miaramila rehetra tamin’ ny Isiraely; ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
1 Kings 2:22Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an’ i Abisaga Sonemita ho an’ i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an’ i Joaba, zanak’ i Zeroia.
1 Kings 2:28Ary ren’ i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an’ i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an’ i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.