Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:28
Ary ren’ i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an’ i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an’ i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Exodus 21:14Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ ny namany hamono azy amin’ ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
2 Samuel 18:2Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
1 Kings 1:7Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.