Boky faharoan'ny Mpanjaka 10:1
Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa nahare ny lazan’ i Solomona ny amin’ ny anaran’ i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ ny fanontaniana sarotra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 10
Cross References
Genesis 10:7Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
Genesis 25:3Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
1 Kings 5:14Ary dia nisy tonga avy tany amin’ ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’ i Solomona, dia avy amin’ ny mpanjakan’ ny tany rehetra izay efa nahare ny amin’ ny fahendreny.
2 Chronicles 9:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
Job 28:28Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.