Boky faharoan'ny Mpanjaka 10:25
Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 10
Cross References
Genesis 36:24Ary izao no zanakalahin’ i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin’ i Zibona rainy izy).
1 Samuel 10:27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
2 Samuel 8:10dia nirahin’ i Toy Jorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon’ i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
1 Kings 5:1Ary Solomona nanjaka tamin’ ny fanjakana rehetra hatramin’ ny Ony sy ny tanin’ ny Filistina ka hatramin’ ny sisin’ i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an’ i Solomona tamin’ ny andro rehetra niainany.
1 Kings 18:5Ary hoy Ahaba tamin’ i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin’ ny loharano rehetra sy hatrany amin’ ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
2 Chronicles 9:24Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.