Boky faharoan'ny Mpanjaka 14:10
koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 14
Cross References
1 Samuel 2:30Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
1 Samuel 25:34Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’ i Nabala ambara-pahazavan’ ny andro.
1 Kings 15:29Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
1 Kings 21:21Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ ny taranak’ i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely.
2 Kings 9:9Ary ny taranak’ i Ahaba hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia;
2 Kings 14:26Fa efa hitan’ i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian’ ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.