Boky faharoan'ny Mpanjaka 14:9
fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 14
Cross References
Exodus 34:17Aza manao andriamanitra an-idina ho anao.
Deuteronomy 9:8Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’ i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
Deuteronomy 32:16Nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny hafa Izy; Ary tamin’ ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
Judges 5:8Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
1 Kings 13:33Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
1 Kings 14:22Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.