Boky faharoan'ny Mpanjaka 14:17
Dia niainga ny vadin’ i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin’ ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 14
Cross References
1 Samuel 2:20Ary Ely nitso-drano an’ i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen’ i Jehovah zaza amin’ ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ ilay voatolotra ho an’ i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
1 Kings 14:12Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
1 Kings 15:33Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Basa, zanak’ i Ahia, tamin’ ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
1 Kings 16:15Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.
2 Kings 15:14Fa Menahema, zanak’ i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’ i Saloma, zanak’ i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.